Tsy ho feno 100% mihitsy ny fepetra hisian’ny fitoniana. Ny adilahy politika hisy foana ary tsy misy ho afa-po. Izany ve no tsy hanatanterahana fifidianana ka dia hiditra tetezamita indray ?
I Madagasikara anefa efa fantatra fa mahantra sy sahirana ka mila mikaroka hevitra fa tsy hifanetsetra eto fotsiny. Efa tongotra mby an-dakana ny fifidianana amin’izao, indrindra taorian’ny nandavan’ny Filankevi-panjakana ny fitoriana mitaky ny hanafoanana ny didim-pitondrana miantso ny mpifidy handatsa-bato amin’ny 7 novambra. Tsy miombon-kevitra amin’io ireo kandida sokajiana ho vaventy toa an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Tombanana ho ao anatin’izany ihany koa i Hery Rajaonarimampianina taorian’ny tsy nahafahany nanoatra, ka nametra-pialana tamin’ny toerany. Raha vao nisy ny fitoriana mitaky ny hihemoran’ny fifidianana, dia efa niezaka nampiteny mpahay lalàna samihafa nitondrana fanazavana mifandraika amin’ny lalàna sy ny lafiny teknika maro i Andry Rajoelina sy ny ekipany, izay manamafy fa aleo handeha ny fifidianana. i Marc Ravalomanana ihany koa ny faran’ny herinandro teo, dia nilaza mazava raha nitafa tamin’ny vahoakan’i Mahajanga fa efa maika sy dodona hifidy izay heveriny ho filoha mendrika azy ny vahoaka Malagasy. Vao mainka hampitombo ny fahasahiranam-bahoaka sy ny fahoriana raha mihemotra io fifidianana io sady tsy mahasoa antsika sy tsy manaraka ny lalàmpanorenana, hoy izy. Sokajiana ho kandida matanjaka sy tsara toerana izy telo mirahalahy mianaka ireo, ary maro no mihevitra fa ny iray amin’ireo no ho lany ho filoha hitantana ny firenena manomboka ny fiandohan’ny 2019. Sao sanatria tahotra ny tsy hahita mangirana amin’ny fifidianana ny an’ny kandida sasany, ka mivoy ny hisian’ny tetezamita hahafaha-miara-mihinana aloha ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.