Mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, ary pitik’afo kely monja dia mety hiteraka ny krizy tsy hifankahitana.
Tsy hisy hanana tombontsoa amin’izany eto amin’ny firenena, ary azo hakana lesona ny tantara rehetra niseho tany aloha fa fatiantoka goavana noho ny krizy samihafa teto nanomboka tany amin’ny taona 1972, 1992, 2002, 2009, 2018, izay ny mpanao politika hatrany no fototra niaingan’ireny. Tsy hoe manavaka ireo kandida hafa sanatria fa any amin’ireo kandida filoha nahazo vato be indrindra aloha izany izao ny fanalahidin’ny filaminan’ny firenena, ankoatra ny andraikitra goavana iantsorohan’ny HCC. Mila mahay mifehy ny olony sy mampiseho ny maha mpitarika mendrika azy ireo filoha telo mirahalahy mianaka ireo, ary tokony hahazaka sy hanaja ny safidin’ny vahoaka. Ekena ary tsy azo lavina fa nisy ny lesoka teo amin’ny fanomanana sy ny fiatrehana ny fifidianana, eny hatramin’ny vokatra. Nomen’ny lalàna fahefana sy fahalalahana feno hanao ny fitoriana sy fitarainana mifandraika amin’izany, izay nahatratra 212 izany raha ny nambaran’ny teo anivon’ny HCC omaly, taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana voafaritry ny lalàna dia ny 20 novambra tamin’ny 12 ora alina. Fahendrena ho an’ny kandida ny miandry am-pitoniana ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC amin’ny 28 novambra amin’ny 10 ora maraina, ary tsy izy ireo mihitsy no tokony hitarika ny olony hioam-pefy. Efa nampiseho fihetsika maneho fandeferana ny kandida Marc Ravalomanana ka nanala ny fitoriany, ary miandry am-pahatoniana ny vokatra ofisialy. Tsy izy mihitsy no hanoa riana hikatsaka ny fanafoanana ny safidim-bahoaka, fa maneho hatrany ny fahavononana hifaninana ao anatin’ny fihodinana faharoa, raha izay no tapaky ny HCC. Ny fihetsika amin’izao fotoana izao dia hitsaran’ny vahoaka ny fahamendrehan’ny kandida tsirairay, izay tokony hanaja ny lamina faritan’ny lalàna sy ny mety ho voka-pifidianana ofisialy eo sy ny any amin’ny fihodinana faharoa. Nisy tokoa ny lesoka tamin’ny fihodinana voalohany kanefa ny manao zavatra tsy mora. Inoana fa mba ho voaharina na amin’ny ampahany indrindra ny fikarakarana sy fikirakirana ny vokatra mba hampisinda ny mety ho ahiahy hiteraka fanoherana voka-pifidianana indray. Kandida 2 no hifaninana amin’izao, ary efa samy nahazo lesona tamin’ny fihodinana voalohany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.