Politique

Rava trano tetsy Ankadimbahoaka Noraisin’ny PDS teny amin’ny lapan’ny tanŕna


  • Alakamisy 05 Febroary 2015

Noraisina ary nihaona tamin’ny PDS-n’ny tanŕnan’Antananarivo-Renivohitra, Ny Hasina Andriamanjato, tao amin’ny Lapan’ny tanŕna Analakely, ireo mponina rava trano tetsy Ankadimbahoaka, omaly.

Mazava loatra fa dinika ny amin’ity didy fandravana ny tranon’ireto fianakiaviana ireto no nifantohan’ny resaka. Fijerena ny fitsinjovana ny maha olona no antony nandraisako anareo, hoy ny PDS, ka ambarako fa efa misy tany nomanin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany izany tompo-mariky ny fandravana, hamindrana anareo eny Ambohidratrimo eny. Tsy nampaharisika ireto noravana trano anefa ny hisedra fiainam-baovao any an-toerana lavitry ny nahazatra fa fanirian’izy ireo ny hanomezana tanim-panjakana tsy lavitra ity toeram-ponenan’izy ireo teo aloha ity. Efa mikaro-dalana amin’izany ny kaominina, hoy ny PDS Ny Hasina Andriamanjato nefa dia manolo-kevitra anareo miresaka amiko izao hanara-dalàna aloha mba ahazoana mandray fepetra mifanaraka amin’izay. Marihina fa efa nifanatona tamin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany ireto tompon’ny trano noravana tetsy amin’ny lakandranon’Ankadimbahoaka ireto nialoha izao fihaonana izao. Fihaonana izay tanteraka noho ny fanelanelanana nataon’ny Hafari Malagasy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT