Ity no tena tonga amin’ilay fitenenana hoe : rava ny tsena. Neken’ny antenimieram-pirenena ny hamerezan-jo ny filoham-pirenena. Raha adika mazava dia naongan’ny parlemanta halina izany ny filoha Hery Rajaonarimampianina.
Mazava ny voka-pifidianana, eny am-pelatanan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny baolina. Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy hisy ny fiovana be manao hoe ahoana satria efa ny antenimieram-pirenena no nanapa-kevitra ary tratra tsara ilay fetr’isa. Niray feo ny maro an’isa teny Tsimbazaza eny fa na dia ireo vondrona politika noheverina fa mifanipaka fomba fijery aza, saingy hafahafa izay ihany moa ny zava-misy eto Madagasikara ka tsy fantatra indray izay mety ho fihetsiky ny HCC eny Ambohidahy. Nafotaka ihany koa ny fivoriana tany Iavoloha omaly ka asa izay valin-kafatra ho amin’ity anio ity. Hita omaly fa tena nahatoky tena ireo solombavambahoaka, tsy nanana ahiahy…Mandeha foana ny resaka hoe nisy vola be nihodina indray tao, saingy tsy nisy ny porofo mivaingana momba izany. Ao ireo mihevitra fa ny tsy fahamatorana politika teo amin’i Hery Rajaonarimampianina no nahatonga izao rehetra izao, izy rahateo efa malaza fa ratsy mpanolotsaina, mba tsy ilazana hoe nampijabahan’ireo mpanolotsaina azy. Avo lenta ny resaka, mety misy koa ny zava-miafina tsy fantatry ny daholobe. Ho hita eo ny ho tohiny ary tsy ho ela !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.