Nametra-pialana omaly ny praiminisitra Kolo Roger sy ny governemanta tarihany ary dia neken’ny filohan’ny repoblika izany araka ny fanambarana nivoaka omaly alina izay
novakian’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika ny jeneraly Ralala Roger teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Rava izany ny governemanta Kolo Roger, saingy mbola miantoka ny fampandehanan-draharaha kosa ny minisitera tsirairay avy mandra-panendrena ny praiminisitra vaovao sy ny fitsanganan’ny governemanta manaraka.
Tsy nahavita azy
Efa nampoizina ihany izao faharavan’ny governemanta izao satria hita fa tena tsy nahavaha olana ary na ny tatitra nataon’ny Dr Kolo Roger teny Iavoloha ny 9 janoary lasa teo aza dia manjavozavo be sy tsy mba nisy tarehimarika mazava mihitsy.Tsapa ihany koa fa toa samy manao izay tiany izany ny minisitra tsirairay ary tsy mba nisy mihitsy ny fandridrana ny asa. Azo antoka fa tsy maintsy horesahana any amin’ilay fihaonan’ireo filoha 5 miaraka amin’ny FFKM eny Ivato anio tontolo andro ny fisafidianana ny anaran’izay ho praiminisitra sy ny fandrafetana ny governemanta. Izay ihany no hahafahana manazava ny nisian’ny fanambarana faharavan’ny governemanta omaly tamin’ny 10 ora alina.
Tsara toerana
Maromaro ihany ireo anarana re saingy raha ny lojika politika no arahana miampy ny fametrahana ny fitoniana sy ho fanatanterahana ilay antson’ny filoham-pirenena ho amin’ny fifanomezan-tanana hanarenana ny firenena dia tokony ho olona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana no hotendrena ho praiminisitra. Ity ankolafy ity mantsy hatreto aloha no efa hita fa nahavita azy tamin’ny asa fampandrosoana ny firenena, ary mbola manana ny toerany ao anatin’ny fiainam-pirenena nandritra ny tetezamita sy amin’izao fotoana. Ho sarotsarotra ny raharaha raha olon’ny HVM indray no mbola hotendrena praiminisitra, efa mazava koa ny resaka fa nipatitaka ny MAPAR ary efa namaky ady tamin’ny filoha ka tsy avy ao mihitsy izy no haka praiminisitra, na dia misy aza ny MAPAR misolelaka. Momba ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy indray dia efa elaela ihany izy ireo no tsy maharaka tsara intsony ny fivoaran’ny raharaham-pirenena sy ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka mety tsy hahazaka io toerana praiminisitra io.Tsara toerana noho izany ny ankolafy Ravalomanana hanolotra ny praiminisitra vaovao, izay marika iray goavana amin’ny fiaraha-miasa ho fanarenana ny firenena, no sady dingana fanohizana ny fampihavanana ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.