Politique

Ratsy andro ?


  • Alarobia 04 Febroary 2015

Alaim-panahy ny olona hilaza fa ratsy andro ny governemanta vao nijoro, satria tena totoafo kosa ny rotsak’orana sy ny andro ratsy teto amin’ny nosy tato anatin’ny telo herinandro izao ary mbola loza mananontanona ny tondra-drano any amin’ny faritra maro toa an’Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Sofia, Diana.


Simba ny toeram-ponenana, rava ny sekoly, dibo-drano ny  tanimbary sy ny tanim-boly, tsy hita popoka ny omby, indrisy fa mitombo isa isan’andro ireo olona mamoy ny ainy na tsy hita popoka…tena ratsy ny zava-misy.Hita ho sahirana ny fitondram-panjakana na dia manampy aza ireo mpiara-miasa sy ny mpiara-miombon’antoka.Mandia fotoan-tsarotra ny firenena ary goavana ny asa miandry, ny ministeran’ny mponina moa dia efa niantso ireo izay malala-tanana sy afaka manampy fa efa tena alohalika ny ranom-bary.Atao ahoana moa fa fahavaratra izao, vanim-potoan’ny orana sy ny rivodoza ka tokony mivonona isan’andro hiatrika izany ny rehetra , indrindra fa ny fitondram-panjakana , ka mba hisy ny fandaminana matotra fa tsy hoe lasa afera ho an’ny hafa indray, sanatria ny fizarana fanampiana ho an’ireo traboina, na avadiky ny mpanao politika ho propagandy mialoha ny fotoana ny fizarana vary,menaka, siramamy , labozia sy lamba firakotra ho an’ny tsy manan-kialofana.Raha ny fantatra dia mety mbola hisy rivodoza 2 fara fahakeliny handalo eto amintsika, ka aleo miomana foana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT