Politique

Ratsiraka - Rajoelina Miketrika mangina any Frantsa ?


  • Talata 10 Febroary 2015

Niala an-tanindrazana ary nihazo an’i Frantsa ny faran’ny herinandro teo ny amiraly Didier Ratsiraka. Hanao fizaham-pahasalamana no re fa antony. Io no fivoahana voalohany nataony taorian’ireo fihaonana an-tampony im-pito miantoana nifanaovan’ireo filoha dimy nifandimby nitondra an’i Madagasikara, dia ny filoham-pirenena teo aloha isany Zafy Albert, Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina

ary ny filohan’ny Repoblika am-perinasa Hery Rajaonarimampianina, eo ambany fitarihan’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara). Taorian’ny fihaonana farany teny amin’ny lapan’ny kolontsaina dia nihazo an’i Frantsa ihany koa ary tsy mbola niverina, tsy nanatrika ny lanonam-pahatsiarovana ny 7 febroary i Andry Rajoelina. Mifamotoana any Frantsa ve ny roa tonta, miketrika mangina ?

Hanambatra hery…

Tranga izay mampahatsiahy ny tamin’ny desambra 2008 izao miseho izao raha toa ka tena mifanatona sy miresaka marina any Paris any i Didier Ratsiraka sy Andry Rajoelina. Ny amiraly Ratsiraka mihitsy moa no efa nanambara ho ren-tany ho ren-danitra fa nanampy an’i Andry Rajoelina izy sy ireo mpiara-dia aminy mba handrodana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2009. Enin-taona aty aoriana, toa mifanandrify tampoka ny fivahinianan’ny roa tonta any Frantsa ka mahatonga ny ahiahy ny amin’ny mety hisian’ny fifampiresahana hikotrehana zavatra hafa indray. Tsapa ihany mantsy fa somary latsa-danja kely eo amin’ny sehatra politika ny ankolafy Rajoelina sy ny ankolafy Ratsiraka tato ho ato izay, tsy dia be mpiresaka ary tsy dia manaitra ny olona firy intsony. Izay no mety antony hanambaran’izy ireo ny heriny indray mba hahafahana miverina eo amin’ny fitondrana, na manao tsindry amin’izay mety ho fizarana toerana atsy ho atsy rehefa misy ny fifanarahana aorian’ilay fihaonambem-pirenena amin’ny tapaky ny volana martsa.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT