Maromaro tamin’ireo mpanao politika akaiky an’i Andry Rajoelina no tsy tazana teny Ambodivona ny 11 desambra 2014, andro nankalazan’izy ireo ny nijoroan’ny Repoblika faha-4.
Olona tsy noeritreretina ary nosokajian’ny mpomba an-dRajoelina ho adversera politika aza teny, toa an-dry Jean Louis Robinson, Hajo Andrianainarivelo, Camille Vital, Sarah Georget Rabeharisoa Lalatiana Ravololomanana. Tsy tazana teny i Lanto Rakotomavo izay anisan’ny nikolokolo fatratra ny TGV, tsy hita i Haja Resampa izay nanao ny taratasy ara-panjakana nandritra ny tetezamita. Fa ny nanaitra dia ny tsy nahitana an’i Norbert Lala Ratsirahonana nandingana teny Ambodivona. Izy izay azo lazaina fa namolavola ara-politika an’i Andry Rajoelina, nanosika an’ity farany handrodana ny fitondran’i Marc Ravalomanana. Divôrsa no andikan’ny maro izany. Sokajian’ny maro ho sakaizan’ny mpandresy rahateo i Norbert Lala Ratsirahonana, ity farany izay nisafidy hiara-kiasa amin’i Hery Rajaonarimampianina ary manana birao ao Ambohitsorohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.