Hanao hetsika samihafa mba hanomezana ireo fahalalana ilaina ho famantarana ifotony an’i Madagasikara ny Gasikara Manan-kasina (GAM). Nambaran’Atoa Ratrema William, filohan’ny GAM fa mitaky fitiavan-tanindrazana ny toe-draharaha ankehitriny.
Mila olona manam-pahendrena sy fahaizana ary mahafantatra zavatra sy mampivoatra azy. Notsindriany manokana ny tokony hahafantaran’ny tanora ireo hery samihafa noho ny teknôlôjia vaovao sy ny karazam-pinoana mba tsy handeha an-jambany noho ny tsy fahalalana. Manana tanora mahay isika ary mahavita fa tsy hijanona ho mpanjifa tsy fantatra anarana ny vokatry ny hafa fotsiny. Fikambanana nijoro tamin’ny taona 2013 ny GAM. Ny hamerina ny «hasin’ny Malagasy» izay very tamin’ireo vanim-potoana samihafa nolalovan’ny firenena no anisan’ny tanjona ijoroany sy ny hitaiza ny Malagasy mba hahatsiaro saina sy handala ny maha olom-pirenena vanona.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.