Tsy nivadi-belirano ary vonona hanohy ny fampandrosoana niarahany tamin’ny Antoko Tiako I Madagasikara Atoa Ratovohery Panoela Arnold. Nahatafapetraka tao amin’ny OVEC Antsirabe faharoa ny faran’ny herinandro lasa teo ny
antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ny toeran’ny Ben’ny tanàna ao Ibity ity kandidà natolotry ny TIM ity, izay mbola Ben’ny tanàna am-perinasa amin’izao fotoana. Nambarany moa fa ny fampandrosoana ihany no hotohizany satria efa maro ny ezaka nataony ho an’ity Kaominina ity hatramin’izay raha tsy hitanisa ireo fotodrafitrasa maro izay nahoriny nandritra ny naha Ben’ny tanàna azy, toy ny fananganana sekoly, fanamboaran-dalana nampifandray ny Fokontany, izay mbola mitohy sy hitohy izany. Raha tsahivina dia kandidà TIM hatrany ny tenany nandritra ny naha Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ibity azy, ary na nisy aza moa ny teritery samihafa nahazo ireo kandidà Ben’ny tanàna dia tsy nivadi-belirano ny tenany fa nifikitra sy hiaro hatrany ny fanevan’ny antokon’i Marc Ravalomanana ary mbola resy lahatra amin’ny fampandrosoana nentin’ny filoha ny tenany hatramin’izao.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.