Kandida filoham-pirenena Rasolofonjoa Haingo, zanaka Arema, mpikambana ao amin’ny antoko Arema. Nilatsaka amin’ny anaran’ny antoko Avotra ho an’ny firenena anefa izy. T
sikaritra ho misy “guerre de relève” ao amin’ny Arema, izany hoe maro ireo mifandrombaka samy te ho lohany sy hitondra ny fanevan’ny antoko, ka izay no heverina ho nahatonga ny Amiraly Didier Ratsiraka nilatsaka, ankoatra izay mety ho kajiny hafa. I Haingo Rasolofonjoa, dia mpandraharaha manana ny maha izy azy eto Madagasikara sy any ivelany. Efa nanovo fahalalana tany Frantsa sy Etazonia, izany hoe afaka mitondra ny fanilon’ny antoko, raha ny traikefa sy ny fahaiza-manaony no jerena. Maro no nihevitra fa izy no ho kandidan’ny Arema tamin’ity fifidianana ity. Efa nisy rahateo ny feo niely momba izany, ary nihevitra ny rehetra fa amin’ny anaran’io antoko io ny filatsahan-kofidiany, raha nanatitra dosie izy ny 21 aogositra teo saingy tsy izay no niseho, ary io niaraha-nahita io, fa tamin’ny alalan’ny antoko hafa no nirotsohany na dia mpikambana ao anatin’ny Arema aza izy. Maro no gaga sy talanjona fa tsy nilatsaka tamin’ny anaran’ny Arema izy, saingy raha raisina amin’ny fomba fijery hafa, dia azo adika fa tsy ny Arema irery no miandrandra azy fa eo ihany koa ny antoko hafa. Tsy izy irery no heverina fa olona akaiky ny Amiraly no nirotsaka hofidiana, ka tsy hay aloha izay ho isam-bato ho azon’ny tsirairay satria karazan’ny mifampitsapa hery amin’ny “Deba” izany ireo novolavolainy. Maro no tsy nanam-po ny mbola haha kandida azy, ary toa mitovitovy ny tamin’ny 2001 ny zava-miseho ankehitriny teo amin’ny ady mangatsiaka teo amin’i Tantely Andrianarivo sy Pierrot Rajaonarivelo, ka dia tsy mety mampita faneva ny Amiraly hatramin’izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.