Anisan’ireo kandidà vehivavy sahy hifaninana ho Ben’ny tanàna natolotry ny Tiako I Madagasikara any amin’ny kaominina Ankerana Avaratra any amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy Ramatoa Harisoa.
Nahafantarana zavatra maro ny fihaonana sy ny fanofanana nomen’ny filoha Ravalomanana ireo kandidà ho ben’ny tanàna nandritra ny kongresin’ny Tim teo iny, hoy izy. Nahafaly azy ny filazan’ny filoha Ravalomanana fa mbola hisy manampahaizana manokana hanampy azy ireo mialoha ny fifidianana. Nohamafisin’i Marc Ravalomanana fa avy eny ifotony ihany no fototry ny fampandrosoana eto Madagasikara ka azo antoka fa hiverina tanteraka eo amin’ny lafiny fampandrosoana indray i Madagasikara miaraka amin’ny antoko Tim. Ny lafiny fandriampahalemana moa no heveriny fa ho laharam-pahamehana mba ahafahan’ny fampandrosoana haharitra ankoatra ny “Map Kaominaly” voarafitry ny antoko fa tokony hatao. Antony moa dia nambarany fa tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy milamina ny tany. Manao ny ataony tanteraka mantsy ny dahalo any amin’ny toerana misy azy ireo ka mandry tsy lavo loha ny mponina, ravan’ny dahalo hatramin’ny fotodrafitrasa misy any an-toerana raha ny nambaran’ity kandidà Tim ity ihany.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.