Politique

Rasamimanantsoa Hasinjaka Kandida mahalala ny filan’ny mponina ao Bongatsara


  • Talata 26 Mey 2015

Dingana voalohany efa voafehin’ny kandida Ben’ny tanŕna Tiako I Madagasikara ao Bongatsara Rasamimanantsoa Hasinjaka hatreto ny fahafantarana ny zava-misy marina iainan’ny mponina ao an-toerana.

 

 

Tena ilaina tokoa ny fahalalana ireo filan’ny fiarahamonina ho fampandrosoana ny tanàna, hoy ny tenany. Anisan’izany ny tsy fisian’ny jiro mampitaraina ny mpiarabelona ankehitriny. Tanteraka ara-bakiteny tokoa mantsy ilay hoe «maizina eo am-pototry ny mazava» ny kaominina Bongatsara izay 500 metatra monja miala ny Lapam-panjakan’Iavoloha nefa hanjakan’ny haizina. Olana hafa sedrain’ny vahoaka ao amin’ity kaominina iray ao Atsimondrano ity ny tsy fisitrahan’ny olona rano amin’ny ankapobeny, ny tsy fananan’asa sy ny tosika ara-panatanjahantena ho an’ny tanora. Mila jerena akaiky torak’izay ihany koa ny tontolon’ny vehivavy toy ny lafiny ara-pahasalamana sy ny fiainan’izy ireo ao an-tokantrano. 

 

Ramano F. 

 


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT