Politique

Rarison Hilarion “Teny Ivato fa tsy tany Antsirabe no nidiran’i Dada teto”


  • Alakamisy 04 Desambra 2014

Ontsa ny fo ka latsaka ihany ny ranomaso rehefa maheno ny tantara momba ny filoha Ravalomanana , hoy Rarison Hilarion. Mazava tokoa fa migadra izy izany ary ny mampalahelo dia filoha nahavita asa tsara ho an’ny firenena iny ary tsy meloka mihitsy

. Omeo ny antony mazava hitazonana azy fa rehefa tsy hahitana na inona na inona ny olona dia 48 ora dia afahana amin’ny toerana hitazonana azy izy.Nanambara i Rarison Hilarion omaly fa tsy tany Antsirabe izany i Dada no tonga teto  fa teny  Ivato.Marary tokoa ny fo satria noho ny vahiny no hanagadrana Malagasy mpiray tanindrazana ary filoham-pirenena, hoy i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alarobia. Tsy kivy anefa i Marc Ravalomanana ary tsy miova fo fa miandry ny farany. Fotoana hiarahan’ny fianakaviana ny fety ary ho an’ny Kristianina dia ny desambra no volana masina indrindra. Mbola vonona hatrany hiatrika ny fitsarana mahefa izy ary izy irery no filoha sahy nandroaka masoivoho vahiny teto satria tsy mifanaraka amin’ny tombontsoam-bahoaka ary mbola izay ihany no ijoroany mandraka ankehitriny. Dieny tsy mbola tara dia aza variana ianao ry filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy i Sandros ankolafy Ravalomanana,  fa samy miandry an’i Dada avokoa na ny fianakaviany na ny vahoaka amin’ny famokarana sy asa sosialy, hiasa ny FFKM ary hanao ny azy koa ny Tangalamena. Any Befotaka izany FFM izany  tsy misy mahalala, hoy  i Félix Ramarolahy,  nefa maka ny fon’ny olona. Hafatra ho an’ny mpitondra : “efa sempotra ny Malagasy ka avelao ny FFKM hihaona amin-dRavalomanana”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT