Tokony hijery ny tombontsoam pirenena ny rehetra fa efa tena sahirana ny vahoaka malagasy ankehitriny noho ny tetezamita lavareny niainana teo, hoy ny depiote Randrianasolo Volatiana Pauline.
Vao herintaona no teo ny fitondrana ka tokony hampiana raha misy manahirana azy fa izany resaka politika izany toy ity hoe resaka “dechéance” ny solombavambahoaka Mapar ity, dia tsy afahana mijery ny tombontsoam-bahoaka marina. Ny tany Vondrozo toerana nahalany ny tena izao dia miandry marina izany fampandrosoana ny Faritra izany ny rehetra. Efa nahazo baka hiampitana ny rano iray vaovao ny any an-toerana fa mbola miandry ny faharoa sy fahatelo efa nifampiresahana sy nampanantenain’ny minisitry ny asa vaventy fa ho azo koa. Efa navitrika tamin’ny fambolen-kazo ny tany an-toerana tamin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy taona 2015 teo izay tena niavaka tokoa tamin’ity indray mandeha ity fa tena nahatsiaro nandray anjara mavitrika mihitsy ireo vehivavy na tamin’ny filaharambe izany, na tamin’ny fifaninanana samihafa (hirahira, baolina kitra lahy sy vavy) ary tsy nisy niala ny rehetra na dia tao anaty ora-mikija aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.