Nazava ny kabary fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana eny amin’ny Antenimieram-pirenena nataon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo fa tena ilaina eto amintsika ankehitriny ny fisian’ny fitoniana, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka mba hamahana ny olana misy eto
. Efa resy lahatra amin’ny fampandrosoana firenena ny 95 %-n’ny depiote noraisin’ny filoham-pirenena, hoy izy, ho tombontsoan’ny vahoaka. Misy kosa anefa ireo vitsy an’isa tokony ho resy lahatra malakilaky fa mikiribiby tsy hanao sonia an’ilay “mémorandum” fa mieritreritra sy mampanantena programa hataony any amin’ny rafitra ifotony any. Ny fanjakana ihany no manana izay praograman’asa izay fa fitapitaka ny ataon’ny mpanohitra ny fanjakana ankehitriny ka mbola mieritreritra ny tsy hanao sonia ny « mémorandum ». Io anefa dia lalana ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Ambarako etoana,hoy ity olom-boafidy ity fa tsy ny adilahy politika intsony izao no mahamaika eto amin’ny firenena fa ny asa fampandrosoana mivaingana takian’ny fiarahamonina tahaka ny fanamboaran-dalana, ny fananganana hopitaly sy sekoly, fanamboarana tsena. Ireo no tena laharam-pahamehana ho an’ny firenena. Aoka ny lasa homba ny lasa, hoy izy namarana ny teniny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.