I Dada ihany no lakilen’ny fampihavanam-pirenena na dia teo aza ny amboletra maro samihafa nolazaina fa fampihavanana natao, hoy Atoa Randrianarivelo Falinirina, fantatry ny maro amin’ny hoe Rafaly ao amin’ny kianjan’ny magro Antsirabe.
Tsy azo hihodivirana ny tena fampihavanan’ny samy Malagasy izay tsy hanilihana ireo mpitondra nifandimby, indrindra fa ny filoha Ravalomanana, hoy hatrany izy nanamafy. Ho azy manokana, amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana dia nampiova zavatra maro teto Madagasikara ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana teto an-tanindrazana. Mbola manamafy, hoy izy ny fanontaniana 33 navoakan’ny FFKM ho an’ireo filoham-pirenena rehetra nifandimby ireo mba ahafahana mijery ny fiombonan-kevitra ara-politika sy ny ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’izay ary ny fijerena ny tombontsoan’ny Malagasy manontolo amin’izay. Raha ny fizotran’ny tantara dia mety hiteraka fiaraha-mitantana vaovao ny tsoan-kevitra hivoaka farany eo raha ny fahitako azy, hoy hatrany ity mpitarika ao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe ity. Nohamafisiny fa tena tsy azo hihodivirana ity filoham-pirenena teo aloha ity ka fatiantok’ireo nanongana azy fotsiny izany, izay niteraka fatiantoka ho an’ny firenena sy ny vahoaka. Midika izany fa tena i Dada no lakile tsy maintsy nilaina namahana ny tena fampihavanam-pirenena eto Madagasikara araka ny notadiavin’ny FFKM. Mbola voaporofo ihany koa, hoy hatrany izy fa tsy i Dada velively hatramin’izao ny nitondra korontana araka ny niheveran’ny maro azy, izay midika fa olon’ny fahendrena tanteraka ny filoha ary olona tia ny firenena tokoa satria ny hafa no malahelo ny fahatongavany fa ny mpomba azy dia dibo-kafaliana tanteraka. Ho anay dia tanteraka ny faniriana hatramin’izay amin’ny hampodiana an’i Dada matoky izahay fa hivaha amin’izay ny krizy rehefa tonga ny lakilé. Fa nasian’ity mpanao politika ity resaka ny momba ny tanànan’Antsirabe ka nilazany fa tokony tsy hijerena loko politika ny fanasoavana an’Antsirabe ka tokony hifanome tanana ny rehetra izay mahatsiaro fa tompon’ity tanana ity satria ny tombontsoan’ny rehetra notokony ho jerena fa tsy ny fandalovan’ny mpitondra mitantana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.