Aoka mba ho tonga saina amin’izay isika Malagasy amin’ny toe-java-misy iainana eto amin’ny firenena fa tena ataon’ny sasany tantely afa-drakotra ity resaka fakana tany eto amintsika ity ka zary manjakazaka tanteraka ny vahiny.
Manaitra ny fitondram-panjakana, araka izany ny tenako, hoy ny depiote Randrianarisoa Stanislas, mba hametraka ny dindon-tanany eo amin’izay raharaham-pirenena izay ka hamaha izany haingana ny lesoka rehetra misy. Tena tsy mandeha amin’izay laonina avokoa ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny fa ny filaminana tsy misy, ny mpianatra mitaky ny zony no hanamparan’ny mpitandro ny filaminana ny heriny, ny dahalo manao ny ataony, ny resaka Jirama sy delestazy tsy mivaha, ny fitokonan’ny Seces sy mpianatra manginy fotsiny, ny fivarinan-toeran’ny kaompaniam-pitaterana Air Mad tsy lazaina intsony, ny fitotongan’ny vola malagasy efa tsy hay lazaina. Aoka mba tena hobanjinina amin’izay ny olan’ny tanora hoavin’ity firenena ity, ary andao hanambatra hery hoenti-manatanteraka izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.