Politique

Randrianarisoa Penjy Mpanao gazety lasa ben’ny tanànan’ny vavahadin’i Madagasikara


  • Alarobia 23 Septambra 2015

Nohamafisin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny maha ben’ny tanànan’ny Kaominina Ivato an’i Randrianarisoa Penjy, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara

. Ity mpanao gazety ity no efa nitarika tamin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI-T. Randrianarisoa Penjy no ben’ny tanàna voafidim-bahoaka voalohany hitantanana ny Kaominina Ivato taorian’ny nampitambarana ireo Kaominina roa mandrafitra azy dia Ivato Aéroport sy Ivato Firaisana. Kaominina vavahadin’i Madagasikara i Ivato. Hampiantrano ny fivoriamben’ny Frankôfônia amin’ny 2016 ny Kaominina, ary dia hanana lahasa be amin’izany ny ben’ny tanàna vaovao. Manana ny MAP Kaominaly ireo ben’ny tanàna TIM, hampandrosoana ny Kaominina tantaniny avy. Nisy ny toromarika mikasika izany nomen’ny filoha nasionalin’ny antoko, Marc Ravalomanana azy ireo omaly nandritra ny fihaonana teny Faravohitra. Anisan’ny asa laharampahamehan’i Randrianarisoa Penjy ny fanatsarana sy fandaminana ny tsena, ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka amin’ny fanazavana ny tanàna, fahazoana rano fisotro madio, ny sekoly. Misy koa ireo tetikasa mifanandrify amin’ny fandraisan’ny kaominina tantaniny ny fivorian’ny  Frankôfônia.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT