Fantatra araka ny “mandat” efa tonga eny am-pelatanany fa ho kandida ben’ny tanŕnan’ny antoko Tim eny amin’ny kaominina Itaosy Atoa Randrianarisoa Jean Richard izay mbola ben’ny tanŕna am-perinasa aloha hatreto. Ireo zava-bita maro tao amin’ny fokontany 7 misy ao amin’ity kaominina ity, indrindra ny lalana, izay efa vita hatrany amin’ny 90 % raha ny filazany sy noho ny mbola fangatahan’ny
mponina azy hanohy ny asa rehetra efa natomboka no nanosika azy hirotsaka amin’ny “mandat” manaraka indray na dia efa nahatita 8 taona teo amin’io toerana io aza izy. Raha efa manana rano fisotro madio tsirairay avy ireo fokontany 7 misy ao Itaosy ireo dia ho vaindohan-draharaha amin’ny fotoam-piasana manaraka ny fijerena sy fanampiana manokana ny mpamboly sy mpiompy eny amin’ny kaominina ary koa ny fampanjakana ny fandriampahalemana fa efa manana kaomisaria polisy ry zareo no manana tobin-janaparitra zandary ihany koa. Milamina aloha hatreto ity kaominina Itaosy ity fa tsy araka ny fampifangaroan’ny sasany azy amin’ireo kaominina manodidina antsoin’ny maro hoe Itaosy avokoa ka voakilasy ho faritra mena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.