Efa mihamaro loatra ny mponina eto Iarivo ankehitriny fa efa mananika ny 2 tapitrisa mahery ka mila fandaminana matotra ny amin’ny fitantanana azy, hoy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, Randriambololona Mananjara.
Mety, araka izany, ilay fandanian’ireo depiote ilay volavolan-dalàna mikasika ny fandaminana vaovaon’ny tanàna. Efa tena mihatery ity tanàna ity ka mila fanitarana misokatra amin’ny tanàna manodidina, raha ny marina dia mila manova paikady vavao hanasoavana ny vahoaka ny fitantanana eto amin’ity Renivohitr’i Madagasikara ity. Rehefa natao ny fanadihadiana isan-karazany, na ara-teknika izany na ara-ekonomika na ara-tsosialy dia tena zava-dehibe tokoa ny fifanatonana ny rafitra sy ny fahefana na ny antsoin’ny vazaha hoe “proximité de l'administration”. Tokony ho eny amin’ny Boriborintany sy ny Fokontany manomboka izao no manapa-kevitra amin’ny vola voaangony sy ny fampiasana amin'izay mahamety azy. Mivangongo loatra any amin'ny foibe ny fahefana eto Antananarivo, hoy izy, ka tsy tsy tafita ny fanatsarana tadiavin'ny vahoaka. Tsy midika ho fizarana an'Antananarivo, hoy ity Lehiben'ny Faritra ity, ny fitsinjarana ny fehefana tokony ho azy. Ny Fokontany moa, hoy izy, dia tsy tafiditra ao anatin'ny vondrom-bahoka itsinjaram-paritra fa ao anatin’ny fari-piadidiana ara-pitantanana izay eo ambany fiahian'ny "Préfet de police" ao amin’ny Boriborintany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.