Mba tsy hisainan’ny vahoaka hoe manohy ny asa ratsin’ny fitondrana tetezamita ianareo mpitantana ny firenena ankehitriny, hoy Randriamamizafy Ignace tetsy amin’ny Magro Behoririka ny faran’ny
herinandro teo, dia ampiharo tokoa izany hoe “rupture avec le passé” izany. Ny filoha Hery Rajaonarimampianina ihany no efa tao anatin’ny tetezamita fa vaovao avokoa ny praiministra, ny fitsarana sy ny minisitry ny serasera ka mahaiza maka lesona. Tsy tamin’ny andronareo tokoa no nisy ny sesitany politika, ny haino amanjery nakatona sy ny fisian’ny gadra politika ka dia tanteraho ny fepetra rehetra voalazan’ilay tondrozotra mbola mifehy antsika mianakavy mandraka androany dia hino anareo ny vahoaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.