Tena mbola manan-jo lehibe noho ny mpanao politika ny dahalo eto amintsika”, hoy Randriamamizafy Ignace avy any Moramanga tetsy amin’ny Magro Behoririka. Porofon’izany,
hoy izy, ny maraina ny nifampiraharahan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ireo dahalo fantatra fa namono sy nandroba ary mpampihorohoro vahoaka tany Atsimo ka nalefa nody daholo izy ireo avy eo. Ny mpanao politika eto amintsika kosa, hoy ihany ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teo taloha ity, dia tsy hampahafantarina ny havany sy vady aman-janany akory izay hitondrana azy raha tsy fotoana maharitra aty aoriana, tahaka ny nahazo an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fahatongavany teto iny, ny nahazo ny MCT Feno taoriana kelin’izay ary izao mahazo an’i Jean Marc Koumba izao indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.