Ampy izay 8 volana nitakiana ny fodian’ny filoha Ravalomanana izay, hoy Randriamamizafy Ignace avy any Moramanga tetsy amin’ny Magro Behoririka, fa na ny pasipaorony aza tsy niverina, manohana miaraka amin’ny fangatahana fa tsy misy valiny
Mihatsara ve ny fiainam-bahoaka ry minisitry ny toekarena ary ho azo ve ny 3% harin-karena faobe nefa ny Frantsay aza nanena ny azy ho 1% ary ny Airmad aza mbola annexe B ? Ny Alemà sy Belza tsy hanao tatitra momba ny Airmad fa tsy maintsy Frantsay no manao izany. Hekena ve ny Tiko hisokatra hotantanan’ny Sinoa ? Raha ny vokatry ny fifidianana depiote farany teo dia leo antoko goavana, mpanao politika gaigy lahy sy vavy ny vahoaka Malagasy fa mitady olona vaovao fa tsy hery vaovao. Rehefa tsy ho azo atao noho ny antony samihafa ny mampiditra an’ireo mpampianatra Fram rehetra ho mpiasam-panjakana, hoy ity mpitari-tolona etsy amin’ny Magro ity, dia soson-kevitra atolotray ny hampidirana ny ambiny rehetra ho ECD avokoa ary ao anatin’ny fotoana fohy ihany fa tsy ho mandrakizay tahaka ny teo aloha tsy akory. tyle type="text/css">
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.