Politique

Randriamamiarizafy Ignace Moramanga Miantso ny mpitolon’ny Magro hanatevin-daharana ny K25


  • Zoma 30 Novambra 2018

Miarahaba ny kandidà Marc Ravalomanana tafita hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidiananana izay ho filoham-pirenena Malagasy, araka ny vokatra ofisialy navoakan’ny HCC ny alarobia 28 novambra teny Ambohidahy izahay mpanohana ny kandidà lah-25 aty Moramanga,

 

 hoy Randriamamiarizafy Ignace filoha lefitry ny RegTim Alaotra Mangoro. Ho antoky ny fampandaniana an’ity kandidà ity amin’io fihodinana faha-2 io, hoy izy, dia miangavy an’ireo namana rehetra nitolona teny amin’ny Magro Ankorondrano sy Magro Behoririka tamin’ny fitakiana ny fameranana an’i Dada an-tanindrazana ny tenako, na inona toerana misy azy na inona, mba hanamafy tosika bebe kokoa ny k25 ka hanampy an’ireo namana nifofotra mafy tamin’iny fihodinana voalohany iny. Ny fampandresena an’i Dada Ravalomanana hiverina hitondra indray an’i Madagasikara mba hisian’ny fampandrosoana marina no tanjona, hoy ity mpitari-tolon’i Moramanga ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT