Hatramin’ny taona 1972 no ho mankaty dia niniana nampahantraina ny vahoaka Malagasy mba ho mora rebirebena rehefa andron’ny fifidianana tahaka izao, hoy ny CT teo aloha Randriamamiarizafy Ignace na i Gaona avy any Moramanga.
Tena zavon-tany ny olona mahantra eto Madagasikara ka ahazoana milaza mihitsy fa manankarena fahantrana ny Malagasy. Amiko, hoy izy, dia tsy manana “point de repère” ahazoana miroso bebe kokoa amin’ny tsaratsara ny fitondrana ankehitriny. Tsy azo hitarafana ny voka-bary any Alaotra intsony ny fanjavonan’ny SOMALAC sy ny vary makaolika fahiny nampalaza iny toerana iny, tsy hita atao fitaratra intsony izany ozinina fanodinan-damba COTONA Antsirabe sy SOTEMA Mahajanga izay samy nanjavona avokoa. Tsy misy intsony izany hoe lazan’ny ekipan’ny Sotema sy Fortior Mahajanga, na Corps Enseignant Toliara sy izany Kiki sy Alban na Me Kira sy Augustin hojerena rehefa miakatra an’i Mahamasina ka nahatonga ny mpijery nilahatra nanomboka tamin’ny 5 ora maraina raha mbola amin’ny 3 tolakandro vao manomboka ny lalao. Tena tsy manana “repère “ halain-tahaka sy hitarafana ny lasa hakana lesona amin’ny ho avy ity fitondrana misy ankehitriny ity ka zary mandeha an-jambany tsy mahita loatra ny tena lalan-kombana, hany ka tsy mahagaga raha tsy afaka mandroso firy isika.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.