Politique

Randriamamiarizafy Ignace Atao izay maha ara-dalŕna ny FFKM dia ravao ny FFM


  • Alatsinainy 02 Martsa 2015

Miantso ny fanjakana mahefa izahay, hoy Randriamamiarizafy Ignace tetsy amin’ny Magro Behoririka, mba hanao izay haha ara-dalŕna ny FFKM ary handrava ny FFM ka hampitambatra an’ireo avy eo fa manjary lany fotoana fotsiny isika mianakavy ka tsy ho vita amin’ny ilana azy ity fampihavanam-pirenena ity

 

. Ny zava-misy mantsy, hoy izy, dia namoaka izao ny FFM fa efa nahavita ny fampihavanana tany amin’ny Faritra ry zareo FFM raha mbola an-dalana fanaovana izany ny eo anivon’ny FFKM. Ny anay aloha, hoy Randriamamiarizafy Ignace dia tohananay 100% ny fampihavanana ataonareo FFKM fa ny indro kely dia raha tsy mahazo ny ara-dalàna ianareo dia ho rava maina. Aza mimpingampinga miantso mpandraharaha any ivelany ianao andriamatoa filoha Hery Rajaonarimampianina fa avelao ny mpandraharaha Malagasy halalaka, ary ampio izy ireo hisokatra. Raha mbola manjaka ny resaka fankana an-keriny eto amintsika dia aza manantena mpandraharaha vahiny ho avy eto izany. Fa raha avela hisokatra fotsiny ny Tiko dia ahita asa ny mponina. Inona no manakana ny fanjakana tsy hanery ny mpanondrana andramena an-tsokosoko hanangana orinasa fa rehefa tsy manao izany dia alefa any am-ponja.

Ntsoavina Evariste



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT