Fanoitra iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Manana ny toerany ao anatin’izany ny kaominina ka nanasan’ny gazety Tia Tanindrazana ny ben’ny tanànan’i Tsiafahy Randriamahefa Justin. Nisy ny fifanakalozan-kevitra nifanaovana taminy mikasika ny fitantanana ny tanàna sy ny fahitany ny fizotry ny raharaham-pirenena ankapobeny. Resadresaka.
Tia Tanindrazana (TT) : Aiza ho aiza izao ny asa fampandrosoana ao amin’ny kaominina iadidianao ?
Randriamahefa Justin (RJ) : Manohy ny asa fampandrosoana ny kaominina izahay ka ny kely ananana no entina miatrika izany. Mitodika bebe kokoa any amin’ny lafiny sosialy ny ezaka satria iaraha-mahalala ny fahasahiranan’ny olona amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro. Anisan’izany ny fanampiana amin’ny didim-poitra faobe, ny fanamaivanana ireo ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Eo amin’ny lafiny toekarena indray dia miezaka ny kaominina amin’ny fananganana fotodrafitrasa mahasahana ny fambolena sy ny fikarohana ireo tetikasa mivadika vola haingana toy ny fambolena zana-kazo.
TT : Inona kosa ireo olana na sakana amin’ny fitantanana ny tanàna tsikaritrao ?
RJ : Mandeha tsara aloha raha ny resaka ara-drafitra satria samy manatanteraka ireo andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay hatreny anivon’ny fokontany izay sady manao ny asan’ny kaominina no manatontosa ireo andraiki-panjakana. Voaloa araka ny tokony ho izy ihany koa ireo karaman’ny mpiasa. Efa nampihatra ny politikan’ny fitsitsiana hatry ny ela rahateo izahay ka nisafidy ny hampiasa olona vitsy miasa mafy mba ialana amin’ny tsy fanefana ny valin-katsembohan’izy ireo. Misy akony amin’ny fidiran-ketran’ny tanàna kosa ny fahasahiranana ankehitriny satria na dia mampandray anjara 500 ariary ny olona aza efa mananosarotra tokoa. Ifampierana daholo ny zavatra rehetra eny ifotony mialoha ny fanapahan-kevitra raisina eo anoloan’ireo mpanolotsaina izay rafitra mpanapaka. Vahaolana iray efa irosoanay izao ny fisokafana amin’ny fiaraha-miasa misandrahaka tahaka ny fanaovan-tsonia maha mpirahavavy ny kaominin’i Tsiafahy sy ny distrikan’i Grand Port atsy amin’ny nosy Maorisy taorian’ny fifaneraserana nandritra ny herintaona mahery.
TT : Aiza ho aiza indray ireo zava-bita hatramin’ny naha ben’ny tanàna anao ?
RJ : Efa hatrany amin’ny faran’ny taona 2003 no nitantanako ny kaominin’i Tsiafahy. Natao laharam-pahamehana ny sehatry ny fihariana nandritra ny fe-potoana voalohany, indrindra ny mahakasika ny tontolon’ny fotodrafitrasa ara-pambolena miaraka amin’ny fampitaovana rehetra ilaina ary anisan’izany ny fihariana frezy izay efa mirona mankany amin’ny fanodinana amin’izao fotoana izao. Teo ihany koa ny fanarenana ireo sekoly ratsy, ny biraon’ny kaominina, ny lalana, ny fampidirana rano fisotro madio sy herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tsy afaka nihazakazaka loatra kosa izahay tao anatin’ny krizy. Mirona tanteraka any amin’ny fiaraha-miasa eo anivon’ny vondrom-paritra ho fampandrosoana ny tanànan’i Tsiafahy kosa izahay ankehitriny.
TT : Manao ahoana kosa ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny fanjakana foibe ?
RJ : Manatanteraka ny tandrifim-pahefana an-kalalahana sahaza ny kaominina izahay araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana izay manana ny fizakantena ara-pitantanana sy ny ara-bola. Mampikaikaika ihany ny anjara fanampiana ara-bolan’ny kaominina avy amin’ny fanjakana foibe. Tsy ifanomezan-tsiny be loatra anefa ilay izy fa tokony samy hanatontosa ny andraikitra eo am-pelatanany fotsiny.
TT : Ny fahitanao ny raharaham-pirenena ankehitriny amin’ny maha olom-pirenena anao ?
RJ : Ny eo anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ireo kaominina 1.500 mahery, ohatra, dia miezaka manatanteraka ireo andraikitra mifanandrify isan’andro. Hatreto aloha dia tsikaritra fa ireo mpitantana ny kaominina no tsy mieritreritra firy ny tombontsoan’ny tenan’izy ireo izany satria mitakosina mivantana amin’ny vahoaka. Manoloana ny fikatsoana ankehitriny dia anjaran’ny tsirairay no mijery sy mamantatra ny sakana ary mitondra ny vahaolana amin’izay tandrifiny avy. Ny olana fotsiny dia efa lava loatra ilay dimy taona nilalaovana ny krizy politika izay niteraka ny fahasahiranana ara-toekarena eto amin’ny firenena. Azo harindra foana anefa ny raharaham-panjakana saingy mila faritana mazava kosa ny hoe iza no manao inona ary iza no mandray fanapahan-kevitra ? Tsy tongatonga ho azy teo amin’ny toerana misy azy ny olona tsirairay fa safidy io izay midika fa mahafantatra ny andraikitra miandry azy. Tsy tokony hiantehitra amin’ny fanampiana ny olom-panjakana vao miasa ary tsy voatery homena tambin-karama na tombontsoa manokana vao mandray andraikitra. Mila mijery ireo firenena hafa isika izay tena efa resy lahatra amin’ny fitadiavana ny tombontsoa iombonana fa tsy manome vahana ny antoko politika na ampahan’olom-bitsy mitantana ny firenena.
TT : Malaza ankehitriny ny mikasika ny fampihavanam-pirenena, ilaina ve izy io aminao ?
RJ : Ny ady mangatsiaka no tena sarotra indrindra mihoatra amin’ireo ady niseho rehetra tany amin’ireo firenena afrikanina hafa toa an’i Afrika Atsimo. Rehefa nisy anefa olona tena nanana risi-po sy fitiavan-tanindrazana nitarika ny fanatanterahana ny fampihavanana dia fantatsika ny tantara nolalovan’izany firenen’i Nelson Mandela izany sy ny zava-misy iainan’ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Amiko dia ilaina ny fampihavanam-pirenena raha misy ny olana ary tokony ho rafitra mipetraka izy io fa tsy hoe misy ny olana politika vao hihavana. Tsy tokony hohadinoina fa nosy i Madagasikara izay hifanenan’ny fomba amam-panao samihafa. Raha vitantsika anefa ny miaina ao anatin’izany fahasamihafana izany dia izay no zava-dehibe indrindra. Ny eny anivon’ireo kaominina 1.500 mahery, ohatra, dia mipetraka foana izany fampihavanana izany araka ny Lalàmpanorenana izay andraikitry ny mpanolotsaina.
TT : Be ireo milaza fa ilaina ny fanovana fanaovana politika, ny hevitrao ?
RJ : Tsy misy ny sekoly fampianarana politika eto amintsika. Ny fanaovana politika malagasy anefa dia natao hanambakana ireo vahoaka marobe tsy mahafantatra ny safidy tokony hataony noho ny fahasahiranana sy ny fahantrana miaraka amin’ny fanangonan-karena sy fanamafisana ny fahefana izay tonga any amin’ilay hoe tsy maty manota. Ny tena mampalahelo ao anatin’ilay toe-javatra dia ilay mpanao politika mihitsy no tsy mahalala ny andraikitra miandry azy.
TT : Farany, inona no vahaolana arosonao amin’izao fotoan-tsarotra mbola lalovan’ny firenena izao ?
RJ : Tsy misy afa-tsy ny fanatanterahan’ny tsirairay ny andraikiny sy ny asa izay takiana aminy amin-kitsim-po tsy ilana deradera. Tsy natao vonjy tavanandro izany fampihavanam-pirenena izany izay natao hampirindra ireo fahasamihafana sy fifamenoana amin’ireo karazana harena mampiavaka ireo faritra eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.