Roa volana teo ho eo ny tenako ny 8 janoary ka hatramin’ny 5 martsa teo no tany Andafy noho ny resa-pianakaviana nefa dia nanaraka tsy tapaka ny toe-draharaham-pirenena taty Madagasikara tamin’ny alalan’ny aterineto sy ny fahitalavitra
. Fantatra fa nivoaka ny krizy isika fa niditra krizy vaovao hafa indray. Fantatro fa nijaly noho ny fiakaran’ny rano ny Malagasy, nijaly noho ny firodanan’ny trano sy ny tany, misy ny kere ary maro ireo traboina vokatr’izany ary hianjadian’ny fitokonana samihafa etsy sy eroa koa. Fantatro fa manana olana ara-politika ny mpitondra eto amintsika ankehitriny. Ary raha ny mikasika ny Tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana dia manana ny traikefany sy ny fahaizany io lehilahy io ary voafidy ho filohan’ny “Association Internationale des Services du Trésor” na AIST koa ka izaho mieritreritra fa efa ela ireo mpiasan’ny tahirim-bolam-panjakana malagasy no tokony mba niady toerana ambonimbony kokoa ho an’ity Taleny teo aloha ity ary izay mihitsy no sahaza azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.