Eto Madagasikara amin’izao fotoana i Ramtane Lamamra iraky ny Vondrona Afrikanina eto amintsika, izay nihaona tamin’ny filoham-panjakana vonjimaika Rivo Rakotovao teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra omaly talata 30 oktobra.
Tsy vahiny amin’ny Malagasy, indrindra fa ny mpanao politika izy, izay mitarika ny delegasionin’ny Vondrona Afrikanina amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana, ary miara-miasa akaiky amin’ireo vondrona mpanara-maso sy delegasionina maro samihafa efa eto amintsika ihany koa. Ambara ho iraka tena ataony ao anatin’izao moa ny hisian’ny fifidianana mangarahara, eken’ny rehetra, ary ao anatin’ny filaminana sy fitoniana. Nanambara ny fahafahampony mikasika ny zotram-pifidianana i Ramtane Lamamra, indrindra tato anatin’ny andro maromaro nanaovana fifanakalozan-kevitra. Nanamafy ny fahavononany hihaino an’ireo rehetra voakasiky ny fifidianana ny tenany. Ny soso-kevitry ny kandida hanemotra fifidianana, dia miendrika fanakanana ny vahoaka tsy haneho ny heviny, izay mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ary efa misy tetiandro nekena, hoy izy. Nankasitraka ny delegasionina kosa i Rivo Rakotovao, izay nanamafy fa tsy fitsabahana amin’ny fiainana ara-politikan’ny Malagasy izao fa fisokafan’i Madagasikara amin’ny any ivelany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.