Politique

Ramtane Lamamra “Anjaran’ny samy Malagasy ny mitady marimaritra iraisana”


  • Zoma 07 Septambra 2018

« Mitazona ny datin’ny 7 novambra sy 19 desambra hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena ny governemanta”.

 Io no tenin’ny praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny fihaonany tamin’ny delegasionan’ny Vondrona Afrikanina notarihin’ny ambasadaoro  Ramtane Lamamra teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo.

Notsihiavin’ny praiminisitra fa manaja ny fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra ny governemanta  kanefa jerena kosa ny hahatomombana ny fizorantsika amin’ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifidianana ka anisan’ny hahatongavana amin’izany ny fitoniana sy ny fifehezana ny filaminana. Tanjona ny hahazoana voka-pifidianana araka ny safidin’ny olom-pirenena tsirairay.

Fanaovana tombana mahakasika ny fiomanan’i Madagasikara amin’ny fifidianana rahateo no anton-dian’ity delegasiona avy amin’ny Vondrona Afrikanina ity. Manoloana ny tsy fitovian-kevitra politika misy amin’izao fotoana izao, dia nanambara Ramtane Lamamra fa manaja ny fiandrianan’ny firenena malagasy, izany hoe anjaran’ny samy Malagasy ny mitady marimaritra iraisana amin’ny olana anatiny eto Madagasikara, hoy izy. Ny Vondrona Afrikanina kosa dia hanampy antsika hatrany amin’ny fanomanana ny fifidianana sy amin’ny fanaraha-maso ireo didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ary ireo toromarika napetraky ny governemanta.

Nangonin’i Jean D.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT