“Afaka tanteraka ny ahiahy fa efa eto i Dada”, hoy Atoa Rakotomiaraka Philippe Bruno, fantatry ny maro any Moramanga amin’ny solon’anarana hoe: “Ramose Bruno”, kandidà ho Ben’ny tanàna any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Morarano gara, distrikan’i Moramanga izay mpikambana tamin’ny antoko Tim hatramin’izay.
Nampiverina tanteraka ny fanantenana sy ny fahasahiana indray iny kongresy iny, hoy izy ary namerina tanteraka ny herin’ny antoko indray izany. Teo aloha dia mbola nisy ny ahiahy na dia mbola nifikitra hatrany tamin’ny antoko Tim aza hatramin’izay. Amin’izao fotoana dia afaka ny fahadisoam-panantenana fa efa eto an-toerana i Dada. Ankoatra ny Map kaominaly izay iraisan’ny kandidà Tim rehetra moa dia nambaran’ity kandidà ity fa anisan’ny mahamaika azy ireo ny hananan’ny olona asa hivelomana maharitra sy mahavelona any amin’iny faritra misy azy ireo. Eo ihany koa ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa misy any an-toerana satria efa saika antitra avokoa na ny sekoly na ny toeram-pitsaboana misy any amin’ny kaominina misy azy ireo.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.