Politique

Ramora Favori Manohana ny fandaharan’asan’i Paul Rabary


  • Talata 25 Septambra 2018

Anisan’ny mpanakanto malaza tena nifandrombahan’ny kandida tokoa Ramora Favori taorian’ny nivoahan’ilay hirany rademi-tour.

 

Saika niompana amin’ny fivetsoana ireo mangirifiry iainan’ny vahoaka amin’ny fiainana  andavanandro  mantsy io hirany io ka izay kandida mahavita mamaly izany no nambarany fa lany demi-tour. Betsaka ireo kandida nampiantso azy taorian’iny izay nihaona mivantana sy nifandresy lahatra taminy mihitsy. Tsy nisy nahaliana an-dRamora Favori ankoatra ny an’ny kandida Paul Rabary anefa raha araka ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly, antony nanosika azy hanohana ny fandaharan’asan’ity kandida iray ity.  Nambarany fa i Paul Rabary no tena mahita izay maharary ny vahoaka madinika, antony nahatonga ity farany hamorona asa ho an’ireo tsy manana asa rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy. Ny fanatsara ny biraom-pokontany sy ny fametrahana biraon’ny polisy, ny fananganana trano fivoahana sy fidiovana ialana amin’ny diky miparitaka etsy sy eroa, ny fanokafana ireo tata-drano tsentsina, mahatonga ireo olona traboina marobe eny amin’ny faritra iva rehefa fotoam-pahavaratra…Ny farany dia ilay ady amin’ny delestazy izay tena mampahory ny madinika tokoa satria betsaka ireo mivelona amin’ny fanamboarana yaourt sy glace kely mba hamelomany ny vady aman-janany. Nomarihin-dRamora Favori fa  zary lasa solombavambahoaka mihitsy ny tenany ankehitriny mandrafitra ireo maharary ny vahoaka madinika anaty tononkirany.

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT