Politique

Ramiaramanana Joseph Nomena fahefana hifehy an’i Neny ?


  • Alakamisy 22 Oktobra 2015

Sekretera jeneralina minisitera vaovao 3 no notendren’ny filankevitry ny minisitra omaly. Anisan’izany ny kolonely Joseph Ramiaramanana PDS n’Antananarivo Renivohitra teo aloha,

 

 voatendry hisahana ny toeran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteram-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana. Lasa tanan-kavanan’ny minisitra Rakotovao izany ity manamboninahitra nalaina nanao famindram-pahefana tamin-dRamatoa Lalao Ravalomanana ity ankehitriny ary lasa tompon’andraikitra eo amboniny. Tena toerana politika ny toeran’ny sekretera jeneraly ao amin’ny minisitera, ary azo antoka fa tsy kisendrasendra ny nametrahana an’i Joseph Ramiaramanana ao amin’ny fanajariana ny tany fa misy antony manokana. Ho an’ireo mpanao famakafakana sy mpandinika politika dia mazava ny resaka eto fa napetraka amin’io toerana io mba hifehy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ity manamboninahitra ity. Tsy fantatra na mety misy fifandraisany tamin’ilay fanapahan-kevitry ny kaominina hampiato ny fanotofana tany ihany koa izao tranga izao na ahoana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT