Nivoaka tamin`ny fahanginany ny vondron`olona sy fikambanana manoloana ny zava-misy eto amin`ny firenena nilaza ny tandindon-doza ho an`ny firenena.
58 taona izao ny nahazoan`i Madagasikara ny fahaleovantena kanefa tsy mbola nisy politika fampandrosoana mitohy sy maharitra hatramin`izao. Nampiaka-peo Rambeloson Christian Erick manoloana ny olana sedrain`ny firenena. Ampy izay, feno ny kapoaka, hoy izy. Notsikerainy avokoa ny fizotra sy ny fikarakarana ny fifidianana, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly sy ny fanaraham-pahefana, ny fanitsahana ny lalàmpanorenana… Nilaza Atoa Ranbeloson Christian Erick fa aleo mba atao ara-dalàna ny fifidianana. Mangataka ny fametraham-pialan`ny filohan`ny HCC, Jean Eric Rakotoarisoa izy.”Mpahay lalàna ianao fa tsy mpanitsaka lalàna”, hoy hatrany ny fanazavana. Ny CENI ihany koa dia tokony hanokatra tsy misy hatak`andro ny lisi-pifidianana. Manome 12 ora an`ny fitondrana sy ireo tompon’andraikitra izy mba handray ny andraikiny manoloana ireo zava-misy eto amin`ny firenena. Miantso ny vahoaka handinika lalina ny zava-misy ary tsy hanaiky hatao fitaovana intsony sy vidiana amin`ny vola sy akanjo. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra, tsy tompon`andraikitra amin`izay zavatra hiseho ireo vondron’olona sy fikambanana ireo. Ireo teboka ireo no navoitran`izy ireo nandritra ny valandresaka tamin`ny mpanao gazety omaly tetsy Antaninarenina
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.