Raha mbola ny vahiny no homena vahana sy indraindraina ary ianteherana dia eto foana isika, lavitra ny fandrosoana sy ny fivoarana, hoy Ramasy Adolphe amin’ny takelaka facebook.
Fa ny tena loza, hoy ity Senatera teo aloha ity, dia “lazaina fa mahaleotena, manana ny fiandrianam-pirenentsika isika nefa dia mbola ny vahiny no manjaka sy mitavana ny harentsika ka na ny resaka politikam-pitondrana aza raha tsy ifanarahana aminy dia hatahorana tsy ho vita. Vao misy zavatra mitranga kely dia heverina ho vahaolana ny fanomezana vahiny ny fitantanana na koa fanafarana vahiny hanolo-tsaina, mahavariana mihitsy ! F'angaha moa isika lany Olomanga sy manampahaizana e ?”.
Na manaiky na miala
Raha mba izaho, hoy Ramasy Adolphe, no lasa filoham-pirenena dia “homeko 48ora ireo rehetra ireo hiala eto Madagasikara ka raha mbola te hiverina dia manao fifanarahana vaovao ary ny Malagasy no tompon'ny teny farany”. Ireo orinasa vaventy ireo dia haverina jerena sy havaozina ny fifanarahana ka tsy ekena marindrano ny 1% na 2% fa 50% -50% na 40% -60% farafaharatsiny ka na manaiky na miala fa mambotry vahoaka.
Eo amin’ny lafiny politika dia mahitsy ny tenin-dRamasy Adolphe. “Tokony hatao anaty lalàmpanorenana fa izay manana zom-pirenena mihoatra ny maha Malagasy azy dia tsy mahazo milatsaka hofidiana na amin'inona na amin’inona amin’ny fitantanana ny firenena fa lasa manome vahana ny vahiny. Raha misy fiaraha-miasa tsy maintsy ifanaovana dia fiaraha-miasa miralenta. Ireo vahiny miseho ho ambonin'ny lalàna na miseho ho tsy refesi-mandidy dia hampodiana 24ora tsy misy fepetra».
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.