Naneho ny alahelony amin’ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra fanjakana ny solombavambahoakan’Antsalova Ramarolahy Maurice nandritra ny fandaharana adivehitra tamina fahitalavitra tsy miankina teto an-drenivohitra.
Niompana betsaka tamin’ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny asan-dahalo, fa toa amin’ny fitaterana mpitondra fanjakana na koa itaterana mpitandro ny filaminana matin’ny dahalo ny helikôptera no ahetsika. Maninona raha alefa hanenjika dahalo ireny fitaovana vaventy ireny ? Efa hita ny tsy fahombiazan’ny ady an-tanety noho ny tsy fahampiana ara-pitaovana sy ny havitsian’ny mpitandro ny filaminana, hoy ity solombavambahoaka ity. Ahetseho ireny fitaovana vaventy ireny hanaporofoana amin’ny vahoaka fa miaro azy marina tokoa ny mpitandro ny filaminana, hiverenan’ny fitokisan’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.