Nambaran’ny depiote Ramaherijaona Hajanirinia Lanto voafidy tany Tsiroanomandidy fa fanaovana tsinontsinona an-dry zareo depiote ny fahavitsian’ireo minisitra (niisa 9 monja) tonga teny Tsimbazaza tamin’ny zoma teo ka naharava main any fivoriana saika
fifanatrehan’ny governemanta amin’ireo solombavambahoaka. Na dia nandefa taratarasy fialantsiny aza ny praiministra novakian’ny filohan’ny Antenimera ka nanendry ny ministra Rakotovao Rivo hisolontena azy noho ny famitany iraka tany Morondava noho ny raharaha navaivain’ny Sucoma Analaiva dia nambaran’ireo depiote rehetra nandray fitenanana tahaka ity depiote avy any Tsiroanomandidy ity, ao ry depiote Randriamahefa Charles avy any Moramanga, Jao Jean avy any Antsohihy ary Mara Niarisy avy any Ankazoabo Atsimo, fa mila mihaino ny fanontaniana mivantana aminy sy mamaly izany ho henon’ny vahoaka nifidy anay ireo minisitra ka tsy mety ny tsy maha ao azy ireo. Tsy hoe sanatria ny minisitra Rakotovao Rivo no tsy azoazonay, hoy izy ireo. Dia nanangan-tanana izy ireo fa haverina amin’ny manaraka ilay “face à face”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.