Nanao fanambaram-pananana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Ambohidahy omaly ny solombavambahoakan’i Brickaville Randrianarisoa teraka Ramahatodisolomanana Vaonalaroy.
Nialoha indrindra ny niatrehany fivoriana voalohany sady nandraisany ny toerany indray eny Tsimbazaza no nanatanterahany izany. Minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka ary ny fampiroboroboana ny asa tanana teo aloha i Vaonalaroy, saingy tsy nanao fanambaram-pananana nandritra ny herintaona naha minisitra azy, fa niandry izy niverina ho depiote izao vao tapa-kevitra. Mbola nanangona ? Omaly, nandritra ny lanonam-panokafana ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena dia nanentana ireo solombavambahoaka rehetra ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max hiroso amin’izay fanambaram-pananana izay.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.