Politique

Ralainirina Marcel “Ny fialan’ny filoham-pirenena no vahaolana”


  • Zoma 04 Mey 2018

Tsy mitsahatra mitombo an’isa andro aman’alina ankehitriny ny fanehoan-kevitra entin’ny olom-pirenena samihafa manoloana ny trangan-javatra misy eo amin’ny firenena ankehitriny ka iray amin’ireny Atoa Ralainirina Marcel filoha nasiolalin’ny “Legaliste de Madagascar”.

 

Aminy ny vahaolana amin’izao savorovoro misy eto amintsika ankehitriny izao dia tsy misy afa-tsy ny fametram-pialan’ny filoham-pirenena am-perinasa, Hery Rajaonarimampianina na koa manaiky izy fa hatao “Président symbolique” fotsiny ka tsy hanana andraikitra afa-tsy ny fandraisana an’ireo diplaomaty  tonga eto amintsika. Ravana noho izany ny governemanta ankehitriny ka hatsangana ny governemanta iraisana hikarakara ny fifidianana ary hatsangana ny Antenimieram-panorenana (Assemblée Constituante) hamolavola ny lalàmpanorenena vaovao ka  ireo depiote voafidy efa eo no hampiana olom-boatendry hikarakara an’izany ka atao ny fifidianana lalàmpanorenena vaovao ary hotanterahina amin’ny volana mey 2019 ny fifidianana filoham-pirenena ho avy mba tsy hidiran’ny krizy lavareny hafa indray. Tokony hanao “Normalisation démocratique” Malagasy, araka ny fijerinay Légaliste azy, hoy ity filohany ity, izany hoe amin’ny alalan’ny fifidianana no hangalana fahefana mba hialana amin’ny kolontsaina fanonganam-panjakana lava izao. Ambarako etoana, hoy izy, fa izahay Légaliste dia tsy miaro mpanao kolikoly sy mpivarotra tanindrazana fa manaiky ny fifampiresahana mba hivahan’ny krizy haingana.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT