Handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna hotanterahana ny 31 jolay ho avy izao ny antoko MFM.
Ho an’ny kaominina ambanivohitr’i Mandoto manokana dia Atoa Ralaiarison Jonhi na ramose Jonhi no ho kandidan’ny Mafana. Mpanorina sady filoha am-perinasa ny fikambanana antsoina hoe ATRIKA, ivondronan’ireo rehetra mpisotro ronono tao amin’ny tafika sy zandarimaria ka monina sy mipetraka ao Mandoto hatramin’ny taona 2005. Olon’ny finoana ramose Jonhi satria mpiandry voatokana eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy. Nitantana ny Lycée Luthérien Nils L HELLE tao Mandoto ihany koa izy nandritra ny 15 taona. Noho ny faniriany hilatsaka kandidà ho Ben’ny tanàna ao Mandoto anefa dia nametra-pialana teo amin’ny ny fitantanana izany sekoly izany izy mba tsy hisian’ny fifangaroan-javatra. Sahia manova no teny filamatr’ity kandidan’ny MFM ao Mandoto ity, teny izay mahalaza zavatra maro momba ny fampandrosoana an’i Mandoto, ka tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny gabaoraraka sy ny tsy filaminana, ny fananganana fotodrafitrasa ary fametrahana ny tenierana ho fifamatorana sy ny mangarahara ho fomba fitantanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.