Politique

Rakotondrabe Harisolofo Kandidŕ tsy miankina ao amin’ny Kaominina Itaosy


  • Zoma 22 Mey 2015

Kandidŕ tsy miankina efa nahatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina tany amin’ny OVEC Atsimondrano ny 5 mey teo Atoa Rakotondrabe Harisolofo

, tanora vonona tena hitondra fanovana ao amin’ity Kaominina  ity, araka ny filazany. Mpitantana Fokontany am-perinasa ao Avarabohitra Itaosy ny lehilahy izay efa nitondra am-pitiavana izany tanàna izany ka tiany hovelarina manerana ny Kaominina  manontolo. Nambarany fa afaka hitondra ny fanovana marina amin’ny fitantanana ity Kaominina  ity ny tenany amin’ny maha olom-baovao azy fa tsy tahaka ireo hafa efa nitantanany ela teo nefa mbola mifandrombaka toerana avokoa. Kandidà misokatra amin’ny ankolafin-kery misy eto amin’ny firenena aho, hoy Atoa Rakotondrabe Harisolofo ary vonona hiaraka amin’ny rehetra hitondra ambony ny fanevan’ny kaominina Itaosy.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT