Politique

Rakotonarivo Thierry Miaro an’i Jean Max Rakotomamonjy


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Manoloana ny resabe sy fanontaniana mikasika ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max nirotsaka hofidiana filoham-pirenena, na tokony hametra-pialana amin’ny andraikitra na tsia dia nanamafy Rakotonarivo Thierry,

filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI fa « tsy voatery hametra-pialana amin’ny maha filohan’ny Antenimieram-pirenena azy Rakotomamonjy Jean Max ». Araka ny lalàna manan-kery anefa, hoy izy, dia tsy afaka hampiasa ny fitaovam-panjakana sy volam-panjakana amin’ny maha kandida azy. Manohy manatontosa ny asa aman’andraikitra amin’ny maha filohan’ny filoham-pirenena azy kosa Rakotomamonjy Jean Max ary mizaka ny zony amin’ny maha filohan’ny filoham-pirenena azy. Ny mpanadihady politika etsy an-kilany dia mihevitra fa mety kokoa amin-dRakotomamonjy Jean Max ny manontany ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana mikasika io tranga misy azy io, manome alalana azy hanao izany rahateo ny lalàmpanorenana amin’ny maha filohan’ny andrimpanjakana azy. Filoha nasionalin’ny antoko Leader Fanilo Rakotomamonjy Jean Max, ny antoko no nandrotsaka azy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT