“Basy an-tifikavana ny ahy ka izay tsy mahatanty miala”, hoy ny Depiote teo aloha Rakotomiandrisoa Jean Ernest raha nikabary teo an-kianjan’ny Magro ny sabotsy lasa teo.
Nambarany mantsy fa raha nilaza ny filoha Ravalomanana fa hanaraka ny dingana amin’ny fampihavanana ny ankolafy Ravalomanana dia ampahibemaso, hoy izy no hilazako fa “izaho tsy hihavana manoloana ireny zava-nitranga ny sabotsy teo ireny”. Hiendaka fotsiny toy ny apango tra-maraina sy toa ny kongona voky hoy izy ireo mpitondra ireo raha izao fandehan-javatra izao no mitohy. Noho izany hoy izy dia raha tsy ny filoha Ravalomanana tenany mihitsy araka ny nambarany no manakatona ny tolona eto amin’ny kianjan’ny Magro dia tsy hiala eto izahay. Raha toa ka izao fahorian’ny vahoaka izao hoy izy dia i Andry Rajoelina no tompon’andraikitra amin’izao ka izy no tokony ho samborina fa tsy ny filoha Ravalomanana izay nahongana. Ny fahenoana ny filatsahan-kofidian’i Neny ao Antananarivo ve dia mapangovitra sahady ny mpitondra ? Aza maika hoy ny Depioté Ernest fa mbola aiza ny hanaovanay anareo raha izany. Voaporofo hoy izy fa kanosa ny mpitondra ankehitriny ka manao ady ambadika ka nentaniny ireo kandidà hiady mafy satria tsy teo aza i Dada sahy isika tamin’ny fifidianana solombavambahoaka, ka maika fa efa eto izy. «Aleo hifampitady eto», hoy izy namarana ny teniny.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.