Manohana tanteraka ny asa fampihavanam-pirenena tarihan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara ny mpanao politika Rakotomamonjy Phillipe. Lalana iray hitadiavam-bahaolana maharitra amin’ny tsy fitoviam-pijery sy fahasamihafan-kevitra amin’ny fanaovana politika eto amintsika io andraikitra goavana sahanin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy avy amin’ny FFKM
io, araka ny fanazavany. Hita taratra teo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy mantsy hatrizay ny tsy fahaizan’ireo mpanao politika mifandamina amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Nahatonga ny fifanonganana izay niteraka fifankahalana hatrany ny fihetsika mifanohitra amin’ny demokrasia nasehon’ireo fikambanana sy antoko politika teo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra. Fahasahiranana sy fahantrana no setrin’izany ho an’ny vahoaka malagasy noho ny hambom-po diso toerana teo amin’ny mpanao politika. “Tsy mitombina ny filazana fa miady ny samy Malagasy”, hoy izy. Azo hanaporofoana izany ny firaisankina eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny fiatrehana ny takaitra napetraky ny rivodoza nanoloana ireo rava trano na koa ny famoizana aina. Mampalahelo kosa anefa ny fahitana ireo sokajin’olona sasany te-hisongadina hatrany amin’ny voin-kava-mahatratra tahaka ny mitranga ankehitriny. Mankato ny fanatsarana ny fandaminana vaovao eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana moa ity mpikambana ao amin’ny Tiako i Madagasikara ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.