Politique

Rakotomamonjy Philippe Very fanahy mbola velona ny vahoaka Malagasy


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango ny vahoaka Malagasy ankehitriny, araka ny fahitan-dRakotomamonjy Philippe azy. Porofo mivaingana azo hanehoana izany ny tsy fahatanterahan’ny mpitondra fanjakana mahefa ireo fampanantenana marobe napetrany 7 volana lasa izay teo am-pandraisana tamin’ny fomba ofisialy ny fahefana nampindramin’ny vahoaka azy.

Tsy mitsaha-mitombo isan’andro anefa ireo fahasahiranana mianjady eny anivon’ny fiaraha-monina izay takaitran’ilay krizy lavareny novolena teto amin’ny firenena 5 taona lasa izay. Samy niandrandra io fitondrana voafidim-bahoaka io daholo ny rehetra hamoaka azy ao anatin’ny fahantrana kinanjo na ilay demokrasia aza ankehitriny dia tandindonin-doza. Ohatra hita maso amin’izany ny fitakian-jon’ireo mpampianatra Fram izay nandefasana baomba mandatsa-dranomaso niampy fisamborana. Mila mandinika ihany isika, indrindra ny mpitondra fanjakana fa ny mpampianatra no andry sy fototry ny famolavolana ny olom-pirenena ho fiatrehana ny fiainan-ko avy. Miantso rahateo ny manampahefana ity mpandraharaha ity mba hijery akaiky ny tombontsoan’ireo vahoaka maro an’isa tena sahirana fa tena efa lalim-paka loatra ny fahantrana mahazo ny mpiara-belona Ilaina tokoa ny asa tanà-maro saingy tsy vitan’ny fanampiana mandalo fotsiny ny fiainam-bahoaka, hoy ny tenany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT