Miteraka resabe amin’izao fotoana ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max, izay kandida ho filoham-pirenena ihany koa.
Hametra-pialana tokoa ve sa tsia ? Misy moa ireo nanambara fa tsy voatery hanao izany izy. Nilaza ho tsy te hiresaka mikasika iny lafiny iny rahateo hatreto ity kandidan’ny antoko Leader Fanilo ity. Nilaza kosa anefa ny tenany fa tsy ho kandida handany andro amin’ny fitsapatsapana akory. Efa Ben’ny tanànan’Andapa aho, hoy izy, ny taona 1995. Efa voafidy ho mpanolotsaim-paritra, CST tao anatin’ny tetezamita ary depiote nanomboka ny taona 2013 nialoha izao fahalasanana ho filohan’ny Antenimieram-pirenena izao. Araka ny traikefa ananako, hoy izy, dia hitako fa betsaka ny tsy mety ary mahenika ny firenena iray manontolo ny fahantrana. Izay no mila arenina voalohany. Dingana ahafahana miroso amin’izany ny fanaovana izay hahazoan’ny vahoaka misitraka fitsaboana maimaimpoana sy fampianarana maimaimpoana ho an’ny mpianatra. Imasoana indrindra koa, hoy ny tenany, ny lafiny fitsinjaram-pahefana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.