Nofaranana ofisialy omaly zoma 9 oktobra maraina tamin’ny lanonana tsotra notarihan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena am-perinasa ary natrehan’ireo minisitra vitsivitsy ny fivoriana tsy ara-potoana faha-4 nandanian’ireo solombavambahoaka an’ilay lalàna mikasika ny CENI
. Nihodinkodina teo amin’ny firaisankina sy fikatsahana fitoniana eto amin’ny firenena ny kabary famaranana nataon’Atoa Rakotomamonjy Jean Max. Hita nisoritra teny amin’ny endrik’ireo vahiny tonga teny an-toerana ny hafaliana nahatontosa iraka tamin’ny fampandaniana an’ilay volavolan-dalàna. Samy nanana ny fomba nanehoany ny hafaliany ny minisitra nanotrona teny. Tao ny niara-nidinika fohifohy tamin’ireo depiote tao anaty fiarany rehefa nirava. Tao koa ny nisafidy ny niara-nisakafo manokana tamin’izy ireo tany an-toeran-kafa ivelan’ny lapan’i Tsimbazaza. Teo amin’ny fanehoan-kevitra moa dia samy nanana ny fihetsika nasehony avy ny vondrona isanisany. Singanina amin’ireny ny Vondrona parlemantera Vpm Mmm izay nisafidy ny nangina tanteraka taorian’ny nanapahan’izy ireo hevitra ny tsy handray anjara tamin’ny tsangan-tanana ny alakamisy. Afaka 10 andro indray mihaona amin’ny fivoriana ara-potoana faharoa amin’ity taona ity e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.