Tantara mitohy ny fifandroritana anaty ao amin’ny antoko Leader Fanilo.
Mampibaribary izany ny didim-pitsarana nivoaka omaly, manadio an-dry Rabesa Zafera Antoine, Lalaina Bertnès, Alphonse Randrianambinina ary Mahosindrahaja Heriniaina na Babala rehefa notorian-dRakotomamonjy Jean Max ho misandoka andraikitra tao amin’ity antoko naorin’i Herizo Razafimahaleo ity. Fitoriana tamin’ny 2016 izy io fa omaly vao nivoaka ny didy. Mametraka an’ireo nenjehina amin’ny toerana maha tompon’andraikitra feno azy ireo eo anivon’ny antoko, niaraka tamin-dry Manassé Esoavelomandroso sy Noël Andriamiarasatrana io didim-pitsarana io. Kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena Rakotomamonjy Jean Max, narotsaky ny antoko Leader Fanilo. Milaza iretsy notoriany iretsy fa tsy mahalala ny fisian’izany fanapahan-kevitra izany, ary tsy nanome tsodrano azy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.