Lasa any Strasbourg Frantsa tamin’ny alatsinainy 23 martsa teo ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Rakotoarisoa Eric sy ny lehiben’ny mpiraki-draharahan’ny HCC Me Ralison Samuel Andriamorasoa.
handray anjara amin’ny seminera iarahan’ny mpikamban’ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana manana ny teny frantsay iraisana, hatao ny 26 sy 27 martsa. Amin’ny 29 martsa izy ireo no hiverina an-tanindrazana. “Mitohy ara-dalàna ny asa aman-draharahan’ny HCC ao Ambohidahy”, hoy ny Talen’ny kabinetra, kaomisera Rabearisoa Alexandre, ka “ny zokiolona amin’ireo mpanolotsaina avo no miantsoroka ny fampandehanan-draharaha.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.